Sosialy

Hopitaly HJRA Ampefiloha Olona mbola velona nalefa tao amin’ny tranom-paty


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Namana zazavavy iray ato anatin'ny tontolon'ny mozika no tsy salama tampoka ny 11 febroary maraina, hoy ny fanazavan’i FR mpanakanto niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera.

 

Mifanoratra MP (Message privée) moa izy sy ny namany, ka nilaza nanana dia aleha izy kanefa izy tsy salama fa manana aretina mihetsika tampoka. Nilaza tsy salamaa tampoka izy io ka nony kelikely dia tsy namaly MP intsony. nantsoina ny finday tsy nisy nandeha. Taitra ny namany rehetra, ny fianakaviana fa tsy tratra antso intsony izy ary nanomboka ny fikaroana sy fanaovana antso teto amin'ny facebook. Ilay finday moa tsy tao anaty kitapony intsony. Omaly talata 12 febroary, hita soa aman-tsara izy, tsy maty fo aman'aina fa tena reraka anefa ny vatany, araka ny fanazavana. Nisy nanatitra teny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha alina ary tonga dia nampidirina tao amin'ny fameloman’aina. Mpianatra no nandray azy tao ary nanao tandrevaka ka nihevitra azy ho maty, ka dia nalefa tany amin'ny tranom-paty izy, hoy hatrany ny fitantarana. Tamin’ny 12 ora alina mahery kely no taitra nahatsiaro tena izy ary nanakifika ny lamba nanaronana azy, ka taitra tamin'izay ny mpiambina ka izay izy vao navoaka tao. Mampita hafatra anareo izahay mba tena jereo tsara ny tobim-pahasalamana fa aina tokony ho avotra saika tao ihany no maty raha nisy dify kely sy nifandiso, hoy ny hafatra nataon’ny akaiky ny lasibatra amin’ny fitondram-panjakana. Olona tsy nahatsiaro tena izy lazain'ny mpianatra fa maty, tsy hainay izay tokony hanapaka farany hoe alefa any amin'ny “morgue” ilay olona sa mbola tohizana ny fameloman’aina ?   

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT