Sosialy

Hopitaly CHU-JRA sy Befelatanana Efa samy mahatsabo tsara ny homamiadana


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Efa azo sitranina tsara eto amintsika ny aretina homamiadana fa tsy voatery mandeha any ivelany intsony ny marary.

 

 


 

Lohalaharana amin’izany ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza mpahazo ny  vehivavy sy ny aretina prostate mpahazo ny lehilahy.  Tonga nitsidika ny asa fanavaozana ny ivontoerana hitsaboana ny aretina homamiadana tetsy amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady omaly. Fantatra fa hovitaina hatramin’ny faran’ny taona ny asa izay iarahana amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany. Firenena efatra ihany no nahazo ity tolotra ity ka anisany i Madagasikara.  Taorian’izay dia nitsidika ny fizotry ny asa ao amin’ny hopitaly Befelatanana ihany koa ny filoha mivady ka anisan’ny nojereny ilay toerana fanodinana sy fanapotehana   fako avy ampiasain’ny marary mba hiarovana ny fahasalamam-bahoaka.  Teo koa ny amin’ny urgence izay nametrahana fitaovana maoderina sy raitra toy ny scanner sy ny échographie, ilay fitaovana fijerena ny fahasalaman’ny marary tsirairay avy na ilay antsoina hoe : monitoring. Tsy latsa-danja amin’izay ny toerana natokana ho an’ireo tompon’andraikitra ambony manaraka fitsaboana nefa tsy afaka mifanerasera amin’ny olon-tsotra sy ny toerana hahafahana mitsabo manokana ny aretin’ny ativava. Nambaran’ny filoha fa ezahina haparitaka any amin’ny faritra ny fanatsarana fotodrafitrasa fitsaboana tahaka izao ary hisy CSB miisa 250 hosokafana manerana an’i Madagasikara. Efa azo hitsaboana ny aretina homamiadana ihany koa ny hopitaly Befelatanana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT