Ramatoa roa marary mafy no fantatra fa tsy misy mpiahy ao amin'ny hopitaly Befelatanana. Kohadavareny sy aretim-po no mahazo azy ireo hoy ny vaovao.
Mpanasa lamba tsy misy havana ary mpivarotra kapoaka sy tavoahangy izy ireo. Tonga nijery azy ireo ny Ministry ny Fitsarana Imbiky Herilaza amin’ny maha-mpiara-belona ka ankoatra ny teny fampaherezana nomeny dia fantatra ihany koa fa nanapa-kevitra ny handray an-tanana ny fitsaboana azy ireo hatramin'ny fivoahany hopitaly ity tompon’andraikitra ity. Ankoatr'izay, araky ny fangatahana, dia hanadio sy handoko ireo efitrano 30 isa izay fandraisana ireo marary ihany koa ity ministra iray ity sy ireo mpiara-miasa aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.