Sosialy

Hopitaly Andranomadio Antsirabe Kamban-telo vao teraka mila fanampiana


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Renim-pianakaviana iray no teraka kambana telo mianadahy ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny hopitaly Andranomadio Antsirabe.

 

 

 

 

Tsy nampoizina izany, raha ny fanazavan’ity renim-pianakaviana ity,  indrindra fa  ny nahatelo ireo menaky ny ainy. Na izany aza anefa dia faly izy. Sahirana anefa izy ny amin’ny adidy miandry azy isan’andro. Tsy mbola miakatra tsara mantsy ny nonony nefa tsy ampy hamelomany ireo menaky ny ainy ihany koa izany na tonga soa aman-tsara aza.  Manao antso avo amin’ireo malala-tanana izy mba hijery akaiky ny momba azy ireo. Toraka izany koa ireo fikambanana sy olona tsara sitrapo. Ny vovo-dronono sy ny “coucheS” no mbola tena olana hatreto  miampy  ireo kojakoja maro samihafa. Ho an’ireo vonona ny hanampy azy efa-mianaka ireto moa dia azo hatao ny miantso azy ireo avy hatrany amin’ny laharam-pinday 033 21 877 29. Misaotra sahady antsika  vonona ny hanampy azy ireo  ity renim-pianakaviana iray ity, ao anatin’ny fanatanterahana ilay teny voalazan’ny Baiboly manao hoe : sambatra ny manome noho ny mandray.

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT