Sosialy

Hopitalin’ny zaza Tsaralalana Marary 60 nahazo fanampiana


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Miisa 60 ireo ankizy marary tsaboina etsy amin’ny hôpitalin’ny zaza etsy Tsaralalana ankehitriny.

 

 

 

 

 Ny aretim-pivalalana sy ny kitrotro no tena betsaka mahazo azy ireo ka ho an’ity farany dia dimy isan’andro ireo miditra ao raha araka ny fanazavan’ny solontenan’ny profesora lehiben’ity tobim-pitsaboana iray ity noho ny haverezan-drano be loatra ateraky ny fandoavana sy ny fivalalana. Tonga nitsidika sy namalifaly azy ireo noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Krismasy ny Alatsinainy lasa teo ny fikambanana mère et enfant, tarihin-dRtoa  Soafara Ramahandry. Ankoatra ny vatomamy sy ny bisikoitra dia nanolotra couche ho azy ireo ihany koa ny fikambanana hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny. Nitohy avy hatrany tamin’ny fizarana vatomamy sy bisikoitra ho an’ireo  ankizy mpirenireny eny an-dalambe teny amin’ny Boriborintany voalohany sy ny manodidina ny hetsika taorian’izany. Ankizy miisa 50 teo ho eo ihany koa no nisitraka izany, izay nambaran’ny filohan’ny fikambanana fa tokony nitetezany ireo arabe feno ankizy sahirana eto an-drenivohitra raha ny tokony ho izy saingy noho ny hateren’ny lalana sy ny tsy fandriampahalemana dia voatery nijanona teo Analakely sy ny manodidina ihany izy ireo. Tsiahivina moa fa anisan’ny fikambanana miahy manokana ny Reny sy ny zaza ny association mere et enfant ka lohalaharana amin’izany ireo niangaran’ny vintana.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT