HOPITALIBEN’AMBATONDRAZAKA

Vehivavy teraka kambana 4 mirahalahy


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Nisesisesy ireo vehivavy teraka kambana 4 teto amintsika tamin’ity volana ity.

Taorian’ny ilay iray teraka ny datin’ny 25 Desambra lasa teo tany Amboroke, Morombe dia vehivavy iray hafa indray no teraka kambana 4 mirahalahy be izao omaly Alarobia 27 Desambra maraina tao amin'ny hopitaliben'Ambatondrazaka. Efa manan-janaka lahikely iray moa ity Renim-pianakaviana ity no izao nahazo azy efa-dahy izao indray izay marihina fa vao 25 taona monja. Vao 23 taona monja kosa ilay Renim-pianakaviana iray voalohany notsiahivina iry ambony iry. Faly sahirana avokoa izy mirahavavy noho izany. Nahazo fahasoavambe saingy mbola olana kosa ny fikarakarana sy ny fanalehibiazana azy ireo noho ny hasarotan’ny fiainana.
Pati
Legende : Ireto izy 4 mirahalahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT