Sosialy

Homamiadana sy aretin’ny vanintaolana Mitarika fanaintainana mafy


  • Talata 22 Oktobra 2019

Betsaka ireo olona miaina fanaintainana hatrany eto amintsika eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana.

 

 

 

 

 Misy ireo mandalo aretin’andoha saingy matetika raha misy koa ireo miharitra izany mandavan-taona mihitsy. Mety hiteraka voka-dratsy lavitra anefa ny tsy fanatonana mpitsabo, hoy ny profesora Nicole Rakotoarison filohan’ny CLUD omaly na ny komity miady amin’ny fanaintainana. Nanamarika ny andro  maneran-tany iadiana amin’ny fanaintanana izy ireo omaly. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana, indrindra ho an’ireo miharitra fanaintainana lava dia nisy ihany koa ny fanentanana natao tamin’ny sararababem-bahoaka tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. “Manan-jo tsy hiharitra fanaintanana ianao” no loha-hevitra novohboasana izay nahasarika olona marobe tokoa. Fantatra fa ireo manana vanintaolana manaintaina lava, ireo lasibatry ny aretin’ny homamiadana izay nahitana ankizy maromaro no tena maro tamin’ireo marary tonga nanatona azy ireo. Misy amin’ireo karazana fanaintainana moa, hoy hatrany ity profesora ity no ilana fanafody raha misy ihany koa ireo sitran’ny hypnose, musicotherapie….

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT