Sosialy

Holafitry ny mpampivelona «Tsy mpamono olona sy liam-bola izany izahay”


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginanany ireo mpampivelona manoloana ny fitoriana ny rahavaviny tao Moramanga.

 

 

 

 

«Mpampivelona fa tsy mpamono olona ny rahavavinay. Tsy vehivavy adalam-bola fa vehivavy tsara fanahy, mamy hoditra sy ampy traikefa amin’ny fampiterahana ny rahavavinay mpampivelona tao

Moramanga”. Izay no tenin’ireo rasazy 60 latsaka kely tafaresaka tamin’ny mpanao gazety nandritra ny tafatafa ny zoma hariva tolakandro teo. Nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny

taona 2019 ho an’ny holafitry ny mpampivelona tetsy amin’ny “Live hotel” Andavamamba ny teto amin’ny Faritra Analamanga ary tonga nanome voninahitra izany ny holafitra nasionaly sy ireo

solontena maro avy amin’ny faritra manerana ny Nosy. Ny holafitry ny rasazy Faritra Analamanga no mikarakara fa tsy anavahana mpampivelona rehefa miasa eto Antananarivo, nanasana ny

tompon’andraikitra manerana ny Nosy sy izay afaka ihany koa, hoy i Lalanirina Raoeliarisoa, tompon’adraikitra voalohany amin’ny holafitry ny mpampivelona Analamanga.

Ireo tompon’andraikitra maro nasionaly nantontaniana mikasika ilay raharaha Moramanga nahafaty renim-pianakaviana mpiteraka sy ny zanany tao an-kibo, iray volana lasa izay dia miezaka

manaraka ny torolalan’ny minisitera mpiahy mba hitandro ilay fahendrena Malagasy hoe : “izay mangiana volamena”. Ireo rehetra nifanerasera tamin’ilay mpampivelona voapanga anefa tsy nihambahamba nilaza fa tsy olona liam-bola izy io, mahafoy tena amin’ny olona sahirana hatrany. Tsy marina ny feo nandeha fa tsy te hizara ilay vola karamany manokana nifanarahana izy. Tsy nisy akory izany vola izany. Misy rasazy hafa ihany koa nisafidy ny tsy hotononina anarana nanamafy fa maro be ireo fianakaviana efa nampiterahany ka tafita soaman-tsara nandritra izay 32 taona niasany izay.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT