HOFANTRANO TSY VOALOHA

Misy tompon-trano tonga dia mibata ny entan’ny mpanofa


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

ho an’ireo mampanofa trano. Lasa tsy mahaloa hofantrano intsony mantsy ny ankamaroan’ny mpanofa vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Raha mbola nilamindamina izany teo aloha raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny Fokontany iray teny Atsimondrano teny dia vao mainka miharatsy ankehitriny. Fiferotana aina no mahazo ireo tompon-trano rehefa madiva hifarana tahaka izao ny volana. Hitaky mantsy toy ny tsy mahatoky ny olona ny tena , tsy hitaky sahirana ihany no sady mahalala mihinana. Vokany, lasa lamaodin’ireo tompon-trano amin’izao ny maka ny entan’ny mpanofa. Izay entana mifanaraka amin’ny hofan’ny tranony no alaina amin’izany, izay fantatra fa eken’ireo mpanofa tsara ihay koa ary hanaovany taratasy eny anivon’ny Fokontany mihitsy. Aleon’ireto farany mantsy tsy manana vilany sy seza hipetrahana ao an-trano ohatra toy izy hatory eny amoron-dalana. Efa marobe rahateo ireo olona sahirana tsy mahaloa hofantrano lasa nanatevina etsy La Reunion kely sy eny amin’ny sisin-dalana. Saika ny 90%-n’ny tompon-trano dia miaina io tranga io avokoa amin’izao, indrindra fa any amin’ireo faritra manodidina an’Antananarivo. Tsiahivina moa fa tsy misy latsaky ny 100.000 Ar intsony ny hofantrano amin’izao raha mba mitady ny tsaratsara misy jiro sy trano fidiovana ary fivoahana. Efa mananika ny 150.000 Ar kosa izany ho an’ny eto an-drenivohitra.
Pati
Legende : Tsy misy latsaky ny 150.000 Ar intsony ny hofantrano eto an-drenivohitra amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT