Sosialy

Hofan-trano Niakatra 10 % ny ankamaroany


  • Talata 14 Janoary 2020

Fotoana fampiakaran’ny tompon-trano ny hofany ny taona vaovao tahaka izao.

 

 

 

Raha araka ny fanadihadiana natao dia betsaka tamin’ireo mpanofa trano no efa nahazo fampilazana mifandraika amin’izany, eny fa na dia ireo mpiasa tsotra tsy nahazo ilay fiakarana 13 % aza. Manodidina ny 10 % eo ny fiakarana  raha 100.000 Ar  ny mora indrindra amin’izao, efitrano iray tsy misy rano fa mantsaka eny amin’ny paompy saingy misy jiro kosa.  Isaky ny faran’ny volana no tsy maintsy aloa ny hofan-trano na faha dimin’ny volana hitsahina farafaharatsiny. Niakatra nanaraka izany  ihany koa ny vidin-tany raha araka ny fanadihadiana natao tamina « agence »  iray. 10 % eo ihany koa ny fiakarana  ka ny eny amin’ny By-pass mihazo an’Alasora no tena lafo indrindra noho ny fisian’ireo teratany vahiny  mifandrombaka mividy tany eny an-toerana.  Nomarihin’ny mpiandraikitra ity agence ity  manokana fa marobe koa ireo olona mitady trano amin’izao toy ireo monina eny amin’ny faritra avo ahiana hisy fihotsahana. Betsaka koa anefa ireo monina amin’ny faritra iva no maniry hipetraka amina faritra tsy azon’ny rano ka mahatsiaro ho sahirana izy ireo. Toy ny mahazatra dia ny antsasaky ny hofan-trano no alain’ny agence amin’ireo olona mitady izany  sy ny tompony, toy izay koa ny tany.

 Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT