Sosialy

Hofan-trano, faktiora amin`ny vola vahiny Tsy maintsy atao amin’ny Ariary manomboka izao


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Ao anatin` ny lamin'ny tanjona kendreny sy ny iraka ampanaovina azy, dia mampahafantatra ny Banky Foiben`i Madagasikara (BFM) amin` ny fametrahana ny fifanarahana fifanarahana fampanofana sy faktiora ary ny fandoavana izany amin`ny ariary.

 

 

 

 Araka izany, ireo vidin` entana sy asa ao anatin` ny faritry ny fandin-tseranana, na koa ireo fifanarahana fampanofana trano sy ara-barotra (contrat de baux habitation et commerciaux). Misy tokoa ireo trano eto Madagasikara indrindra eto Antananarivo ka amin` ny sandam-bola vahiny euro na dolara no handoavana izany. Torak` izany koa ireo faktiora nomena olona na koa orinasa ka amin` ny sandany vola vahiny no hanefana izany teo aloha dia tsy maintsy aloa amin` ny vola ariary manomboka izao. Tsy voakasika izany kosa ireo orinasa afakaba izay mifandray mivantana amin` ny any ivelany, izay ivelan` ny faritry ny ladoany Malagasy ny fandoavana azy ireo. Manamafy ny BFM fa ny tsy fanarahana ireo fepetra ireo dia mety hiafara amin'ny fanenjehana heloka bevava. Ny fandikan-dalàna dia azo saziana amin'ny sazy voalazan'ny and. faha-473 amin'ny fehezan-dalàna famaizana

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT