Sosialy

Hoavin’ny ankizy sy tanora Malagasy Velom-panahiana ny ray aman-dreny


  • Zoma 04 Janoary 2019

Tanora 10 hatramin`ny 24 taona ny 32%-n`ny Malagasy ary ao anatin`ny fianarana ny ankamaroany. 31,2% anefa no mahavita fianarana eny amin’ny fanabeazana fototra ary afaka mamaky teny sy manoratra.

 

 

Ankoatr’izay dia 12,1% monja no mahavita ny ambaratonga faharoa ary ny 52,7% izany dia tsy mianatra avokoa, indrindra amin’ireo salan-taona 15 hatramin’ny 19 taona. Mampanjavozavo tanteraka ny hoavin’ireo tanora ny tsy fisian’ny politika matipaika amin’io lafiny fampianarana io. Maro be mantsy ireo tsy mba lasa lavitra amin’ny fianarana ka manaotao foana na amin’ny fanapahan-kevitra raisina na ny fomba fiaina mihitsy. Olana hatrany koa anefa ny kalitaon`ny fianarana eto amintsika ho an`ireo mba mianatra satria tena latsa-danja izany raha oharina ny any amin`ny firenen-dehibe. Noho ny fahasahiranana ara-bola dia tsy manana solosaina ny eto Madagasikara, ny fahafahana mandalina aza moa voafetra ihany satria na ny fakana fahalalana amin`ny haino aman-jery sy ny gazety aza dia sarotra. Noho ny tsy fahafahan`ny ray aman-dreny sy ny fidinan`ny fahefa-mividy dia maro be amin’izao fotoana ny tsy afaka manohy intsony ny fianarany ary tena maro no miroso amin`ny fanaovana asa madinika izay zara raha ahazoana sakafo anio fotsiny ka tsy mba afaka hanangan-javatra mihitsy. Mahantra ny firenena ary semban-drahona ny hoavin`ny tanora noho ny fiverimberenan`ny krizy matetika eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia mbola manalokaloka eo ihany izany raha tsy hisy ny fangaharahana eo amin’ny fanehoana an’io valim-pifidianana io.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT