Sosialy

Ho mafy ny ady Mbola hidangana ny vidim-piainana…


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Miteraka fatiantoka amin` ny kitapom-bolam-panjakana ireo fepetra samihafa noraisina izay mampikatso ny toekarena ankapobeny eto amintsika.

Tsy ho tratra izany ny fampitomboana ho 5,5% ny tahan` ny harin-karena faobe novinavinaina ho an` ny taona 2020. Tsy hisy afa-tsy 1,5% izany. Ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana maneran-tany voafetra no nahatonga izao voka-dratsy izao eo amin`ny lafiny toekarena ho an` i Madagasikara satria samy mametraka ny paikady anatiny sy ivelany ny firenen-drehetra mba hahafahana mampihena sy manafoana ny valan’aretina Coronavirus. Niteraka voka-dratsy ho an’ny firenena tsy mamokatra toa an’i Madagasikara anefa io tsy fahafahana mifamezivezy io satria isika manafatra mihoatra ny 80%-n’ny entana ilaintsika amin’ny fiainana andavanandro. Efa miroso amin` ny krizy anatiny sy tsy fisiana entana io toe-javatra io. Na dia novinavinain` ny fanjakana fa hiakatra 6,6% ny tahan` ny vidim-piainana mialohan` ny Covid 19 dia fantatra aloha fa hitombo 7,2% izany.Efa nilaza ny handray fepetra ny fanjakana, koa dia ho hita eo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT