Sosialy

HJRA Ampefiloha Misy zaza tsy ampy taona ireo toran’ny toaka


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Olona folo no toran’ny toaka nandritra ny datin’ny 24 sy ny 25 desambra lasa teo nentina nanaraka fitsaboana tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

 

 

 

 Ny iray amin’ireo dia zaza tsy ampy taona ary vehivavy ny roa. Lehilahy kosa ny fito ambiny ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa, hoy Ratolojanaharimanana, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity hopitalim-panjakana iray ity.  Ankoatra izay dia  olona roa ihany koa no namono tena, telo tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ary iray hafa lasibatry ny aretina fahatapahan’ny lalandra  na ny AVC.  Folo no tratry ny aretina hafa. Ho an’ny tao amin’ny sampandraharahana  vonjy taitra indray dia nahatratra 249 ireo olona noraisina tao ka ny adiadin’ny samy mpinamana sy ny fianakaviana no tena betsaka. Nahatratra 91 isa mantsy ireo tranga hita  raha 45 kosa ny lozam-pifamoivoizana niseho.  Nahatratra valo ireo olona namoy ny ainy nentina nanatona  ireo sampandraharaha roa ireo tao anatin’ireo andro roa ireo  izay nambaran’ity tompon’andraikitry ny serasera ity fa efa maty tany ivelany avokoa ny ankamaroany fa tsy maty tao amin’ny hopitaly akory.  Nihena moa ny isan’ireo olona  toran’ny toaka raha oharina tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 12 tamin’ny taona 2017 ary dimy ireo namono tena.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT