Hitombo indray ny tsy an’asa

«Mila fiainana miralenta»


  • Alarobia 12 Jona 2024

Efa tsy ho an’asa indray izany izao atsy ho atsy ny mpanao labozia sy jiro kapoaka,

hoy ny raiamandreny ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo. Ny mpitondra antsika amin’izao fotoana mihitsy, hoy izy, no manao hoe «bye bye» na veloma ry jiro kapoaka! Veloma ry labozia! Hitombo indray ny tsy an’asa eto Madagasikara satria ny fanjakana mihitsy no mitaona ny malagasy handao ny orinasa fanaovana labozia sy jiro kapoaka. Handao ny mpitrandraka kitay sy saribao. Ireny moa izany dia efa voahenjika matetika ho entina moramora any amin’ny fampiasa entona sy zavatra isan-karazany, ny zavatra lafo vidy ny olombelona eto amin’ity tanintsika ity. Ho aiza izany ny fiveloman’ireny olona ireny? Firy isan-jaton’ireto solombavambahoaka ireto no mba miheritreritra izany fa tsy ny andeha hifanongana toy ny amin’ny fitsipaham-pitokisana na «empêchement» sy «motion de censure»? Mbola tsy misy azo arahabaina moa izao fa mbola vokatra vonjimaika io. Mbola tsy fantatra ny hitranga eny amin’ny HCC. Asa na mbola hisy ny hoe azo raisina fa tsy mitombina sy ny karazany. Io aloha no zava-misy. Tantaram-pirenena malagasy io. Ny aina no matezà hiatrika indray ny fifidianana hoavy. Ho avy indray ny ben’ny tanàna sy ny manaraka rehetra. Tadidio fa raha olona iray na malagasy iray no mahantra dia mahantra daholo ny malagasy iraimanontolo. Raha olona iray sy roa no mpanakarena sy mpanefoefo dia tadidio fa tsy hisy fiadanana izany eo fa tahotr’izy ireo ho tafihin’ireo mahantra be dia be manodidina azy hiainany. Mila fiainana miralenta no dikan’izany. Tsy resaka lahy sy vavy ihany no miralenta resahina eto fa resaka fitovian-jo amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara amin’ny sokajim-piarahamonina rehetra. Atsipy ny tady an-tandroky ny omby. Atsipy ny teny am-pon’ny mahalala, ho an’ireto am-bava varavarana ho ao amin’ny antenimieram-pirenena ireto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT