Sosialy

Hitany nampiaraka ny vadiny Nandoro tena tamin’ny lasantsy ilay bandy


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Tsy nino izy raha tsy nahita, saingy nony nahita dia ny famonoan-tena no fanapahan-kevitra maika noraisiny.

Tratran’ilay tovolahy niara-nisotro toaka tamin’ny rafilahiny tao anaty Bar iray tao Namahora Morondava renivohitry ny faritra Menabe ny vady andefimandriny omaly antoandro. Lasa tsy nampiasa herisetra ilay tompom-bady, saingy tsy nahatsindry fo fa nanao izay nahitany lasantsy. Nararany avy any an-tampondohany ilay solika, avy eo narehiny ny afo. Nilodaka ny afo no nahataitra ny olona ka nifamonjena nosaromana lamba nentina namonoana ny afo. Lehibe ny fahamaizana tamin’ny tapany ambony amin’ny vatany. Nentina haingana tsaboina ao amin’ny hopitalibe Namahora izy ary tany no miantsoantso an’i Jesoa hamonjy azy. Ilay ramatoa vadiny nanjavona hatramin’ny fotoana nanoratana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT