Sosialy

Hirifiry sy tombontsoan’ny tolona Tsy mbola tsapan’ny Malagasy tsara


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Tsy hisy tolona ho tafita mihitsy eto raha isaky ny mahazo seza tonga dia mivadika tsotr’izao, toy io afitsoky ny MAPAR io.

Ny any amin’ny firenen-kafa tena henjana, toy ny any Nicaragua, izao dia nanomboka 18 aprily ny grevy, ary efa nahatratra hatrany amin’ny 212 ny maty maty hatramin’ny faran’ny herinandro teo, ary 1337 no naratra. Maherin’ny 500 ny voasambotra. Somary maivana sy tsy tsapantsika loatra ny hirifiry vao tanteraka ny revolisionina tian-kapetraka matoa mbola misy ny manamaivana ny tolona. Tsy sanatria miantso fifamonoana na ra mandriaka eto amin’ny firenena, fa tsikaritra kosa ny olona tena miady rehefa mitolona fa ny antsika, toy ny mpitarika indray no manamaivan-dresaka sy tsy mena-mivadika rehefa tambazan-tseza. Toa tsy misy lanjany sy tena tsy misy dikany ny lokaloka sy ny velirano teny an-kianja, toy ny hoe miala tsy misy hatak’andro ny filoha. Tampoka eo anefa, dia mivadika ny rasa hoe aleo aloha ny filoha ho eo ihany fa amin’ny fifidianana hesorina. Tsy atao mahagaga raha mety ho simba sy tsy tonga amin’ny niheverana azy ny tolona, ary soa ihany fa mbola misy ireo mitazona ny velirano.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT