Sosialy

Hira “Lehilahy manam-bola” Raikitra ny disadisan’i Michel Patrick sy Big MJ


  • Zoma 20 Martsa 2020

Ny volana desambra lasa teo dia nivoaka tamin` ny endriny vaovao ilay hira « Lehilahy manam-bola » nindramin’i Big Mj ka nohirainy tamin’ny fombany na “cover”.

 

Ny alarobia lasa teo anefa dia nisy ny filazana fa nampiantso an’i Big Mj ny mpanakanto Michel Patrick, izay tena tompon’ny hira. Antony, mba hifanatona amin’ny fandaminana mikasika ny lesoka nanovan’i Big MJ io hira io. Nisy tsara ny fifampiresahana teo amin’i Michel Patrick fa hitondra izany hira izany amin’ny endriny hafa I Big MJ sy ny ekipany, hoy ny « manager » an’i Big MJ izay nanamafy ny fampahafantarana efa nataon’izy ireo tany anaty tambazotra sosialy. Nisy ny resadresaka nifanaovana, tsy an-tery ary i Michel Patrick mihitsy no nanonona ny mari-bola omena azy ka rehefa nifanaiky tsara ny roa tonta vao natao ny fanaovan-tsonia. Nisy ihany koa ny fampisehoana azy ilay hira efa vita raki-tsary ary tsy nametraka olana mihitsy izy, tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny fotoana nanolorana an’i Michel Patrick ilay taratasy avy any amin’ny OMDA izay manamarina fa izy mihitsy no tompony sy mpandrindra ny hira dia nangataka ity mpanakanto ity ny hisian’ny fanamboarana eo amin’ilay hira efa nivoaka. Nangataka izy, hoy ihany ity « manager » an’i Big Mj ity, ny amin’ny hametrahana ny anarany sy hanamarihana fa izy no « auteur/compositeur » an’ilay hira. Narahina ny fangatahany, araka ny fanazavana ihany. Tsy mbola nisy kosa ny fangatahana vola fanampiny avy amin’ity mpanakanto ity, fa raha nisy izany dia afaka nifampiresahana. Nilamina tsara, araka izany ny resaka teo amin’ny roa tonta saingy milaza ho malahelo ity “manager” an’i Big Mj ity sy ireo ekipany, manoloana ny resaka mandeha indray momba io hira io sy ny zava-nitranga tao anatin’izay fotoana fohy nihaonan’izy ireo farany izay.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT