Sosialy

Hihety no nivoahana ny trano Maty an-drano ilay tovolahy tokony hiatrika BEPC


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Tovolahy iray, 16 taona, no maty an-drano omaly raha nitsaka ny reniranon'i Sambava.

 

 

 

 Avy nihety ity tovolahy ity, saingy tsy afa-po tamin’ny hetim-bolony ka nandeha niaraka tamin’ny namany iray mpiara-mianatra niverina tany amin’ny mpanety ao Antanifotsy, kartie iray ao Sambava tampon-tanàna. Tafalatsaka tao anaty lalina anefa izy tamin’izy roalahy niampita ny renirano, raha nandeha tongotra nandray lala-manitsy. Tafavoaka teo amorona ihany ilay tovolahy saingy efa tena nalemy. Niezaka niantso Fokonolona hamonjy ilay namany niara-niampita taminy, saingy mandrampiveriny dia efa tsy tana intsony ny ain’ilay tovolahy. Efa eo am-pelatanan’ny fianakaviany ny faty. Mpianatra taona faha-9 ao amin’ny CEG Antanifotsy Sambava, tokony hiatrika BEPC afaka iray volana ity namoy ny ainy ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT