Sosialy

Hetsiky ny olom-pirenena leo vidim-piainana miakatra “Tsy mandeha irery izahay !”


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Etsy amin’ny gara Soarano no hifampitaona amin’ireo rehetra mpanara-dia azy ireo anio ny avy eo anivon’ilay hetsiky ny olom-pirenena leo vidim-piainana miakatra na MCI.

 Nanentana farany omaly ny filohan’ity fikambanana ity, Lalaina Razafindralambo fa tsy hetsika politika ity fa sosialy ka manasa ireo mahatsapa fa mila ampidinina ny vidin-tsolika sy ny vidim-piainana, hoy izy, hiara-kilahatra aminay. Efa azo ny alalana ary tsy mandeha irery izahay fa ho avy eo koa ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC sy ny mpitatitra. Vao niakatra ny vidin-tsolika dia 400 ariary izao ny iray amin’ny voatabia. 550 ka hatramin’ny 650 ariary ny iray amin’ny atody. “Azo ekena ve ?”, hoy izy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT