Sosialy

Hetsiky ny mpiasan’ny DRH-MEN Fitokonana faobe voalohany amin’ity taona ity


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Ny sendikan’ny mpiasan’ny DRH-MEN mijoro ara-dalàna araka ny “récépissé” laharana 038 tamin’ny 1 jolay 2022 dia

nanao fanambarana tetsy amin’ny toeram-piasan’izy ireo etsy Mahamasina omaly fa tsy eken’izy ireo ny fanesorana noho ny antony tsy mazava ny lehiben’ny sampan-draharaham-pitantanana ireo mpiasa ao amin’izy ireo nefa na ny DRH lehibe aza dia miaiky fa tsy misy fahadisoana ara-kasa nataony na kely aza ary mandeha milamina sy mizotra araka ny tokony ho izy ny asa ataony. Takianay tsy misy fepetra ny fanafoanana ny didim-pitondrana laharana 33-610/2022 tamin’ny 14 desambra 2022 nanesorana io lehibena sampan-draharaha io. Takianay tsy misy hatak’andro koa ny famerenana azy amin’ny asany. Takianay ny handravana ny “Cellule d’appui” na sampana mpanampy izay tsy ao anaty rafitra akory. Izany hoe aleo ny sampan-draharaha tsirairay no hitantana ny fandrindrana ny asany ahazoana vokatra tsara. Efa nisy ny fifanatonan’ireo tomponandraikitra mahefa isan’ambaratonga nefa tsy nisy valinteny hatramin’izao. Tapitra ny 72 ora napetraka hamahana ireo fitakiana eo ambony ireo ka ambaranay ho ren-tany, ho ren-danitra fa manomboka anio 3 janoary 2023 izahay dia miroso amin’ny fitokonana faobe ka tsy hiasa mandra-pivalin’ny fitakiana rehetra. Ny lafiny mahaolona no kirakiraina ato ka tsy ekena ny fanapahan-kevitra miteraka fampikatsoana toy izao. Tsy misy an’izany resaka kolikoly 3000 Ariary alainay izany. Omeo ny porofo raha misy, hoy hatrany izy ireo. Ity izany no fitokonana faobe voalohany nataona mpiasam-panjakana tamin’ity taona ity.

J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny SEM DRH-MEN, Rakotomalala Diamondra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT