Sosialy

Hetsika “Vary Tsinjo M'fety” Amidy 650Ar ny kapoaka ho fitsinjovana ny mpanjifa


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Nanapa-kevitra ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana fa ho tanterahina miaraka amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny Hetsika “Vary Tsinjo M'fety

anatin’izao volon’andro fety izao. Alasora By Pass, Ambohidahy Ankadindramamy, Manjakaray. Ireo no toerana nanombohana ny fanaterana ny Vary Tsinjo amidy amin’ny 650 Ar ny kapoaka omaly. Misy peta-drindrina famantarana ireo mpivarotra mpaninjara miara-miasa amin’ny fivarotana Nilaza ny Tale misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa, Andriamadison Haingo fa tsy mitsahatra manara-maso ny vidin’entana sy ny kalitaon’ny entana amidy ny Ministera. Nentaniny ny mpivarotra tsy ho alaim-panahy hanararaotra, noho ny fitomboan’ny fanjifana, amin’izao fety izao. Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra koa, indrindra ny mpanjifa, ihany koa ny ministera hahasahy hitoroka raha misy ny tsy fanarahan-dalàna mety hanohintohina ny fahafahany misitraka ny zony, na amin’ny lafiny fampiakarana tsy ara-drariny ny vidin’entana na tsy fanajana ny kalitao. Tsikaritra ny fihenam-bidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro sasany amin’izao fotoana izao. Nahitana fidinany, ohatra, ny menaka soja mihidy. Raha 9500 Ar ny tavoahangy 1 litatra teo aloha dia lasa 9200 Ar izany ankehitriny.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT