Sosialy

Hetsika “tagnamaro” fahadimy Nafotaka ny fanadiovana teny Ankatso


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Manomboka azon`ny olom-pirenena ny hevitra hampitaina amin`ny hetsika “tagnamaro” izay efa miditra amin`ny andiany fahadimy.

 Teny amin`ny oniversiten`Ankatso no nosafidian`izy ireo nanaovana fanadiovana niaraka tamin`ireo mpianatra maro eny an-toerana ny sabotsy lasa teo. Nifamotoana teny Ankatso ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina, ny tompon’andraikitra sy ny mpampianatry ny oniversite, ny mpianatra sy fikambanana maro isan-karazany nikarakara, nanadio, nandoko, nanala lobolobo tao amin'ny oniversite manontolo. Nandritra ny fandraisam-pitenenana tamin'ny famaranana no nanamafisan'ny filohan'ny oniversite, Mamy Ravelomanana sy ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ny maha zava-dehibe ity kolontsaina fikarakarana ny fananana iombonana ity. "Sady vakoka no fananana iombonana" ny oniversite, hoy izy ireo. Ny minisiteran`ny kolotsaina izay mikarakara ny hetsika, dia nilaza hatrany fa tanjona ny fampandraisana andraikitra sy fitaizana ireo tanora ao anatin`ny fitiavana fahadiovana izay antom-piasian`ny “tagnamaro”. Fanentanana ny hetsika toy izao fa ny zava-dehibe dia ny fampianarana izany amin`ny andavanandro. Tsiahivina moa fa Ny Lisea teknika eny Alarobia kosa no nanaovana izany asa fanadiovana izany ho an’ny minisiteran’ny asa vaventy.

 

 

Marigny A sy Patty


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT