Sosialy

Hetsika ROHY Tsy nirindra ny fampiharana ireo fepetra


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Mahafantatra ny otrikaretina ny olona tany amin’ny 98% amin’ireo distrika 98 nanaovan’ny Firaisamonim-pirenena Rohy fanadihadiana.

 

Mahomby ny serasera momba ny valanaretina, ary voarain’ny olom-pirenena. Ny 10 tamin’ireo distrika no nahitana olona mitondra ny covid-19: Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Fenoarivo Antsinanana, Toliara I, Toamasina I sy II, Antsiranana I, Fianarantsoa, Lalangina, Morondava. 19 % tamin’ny distrika no nanao famendrahana fanafody. Tsy voahaja kosa ny fitangoronan’ny olona rehefa tsena amina tanàna iray. 71%n’ny distrika no nampihantra ny fihibohana tamin’ny ampahany, ary 23% tsy nahitana. 5% no hentitra tamin’ny fampiharana ny fihibohana. Ny tany an-tokantrano, dia 38%n’ny mpanao fanadihadiana no nahita fa tsy afa-nanaja ny fihibohana ny fianakaviana noho ny fivelomana. Nidangana ny vidin-tsakafo tamin’ny 23% distrika. Ny 4% no nahitana fanavakavahana ireo marary nanantona ny toeram-pitsaboana na inona na inona aretina nahazo azy ireo. Fehiny, tokony hamafisina ny firindran’ny fandraisana fanapahan-kevitra any amin’ny Foibe sy ny faritra hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny fepetra. Tokony ho voafaritra mazava ny fametrahana ny Loharano mba tena ho sehatra hahafahan’ny vondrom-bahoaka ifotony mandray anjara amin’ny sehatr’asa samihafa any amin’ny fiaraha-monina, hoy ny Rohy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT