Sosialy

Hetsika natao tany Mandritsara Misy olana eo amin’ny filohan’ny Sojabe sy ny delegen’ny mponina


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Tsy mankasitraka fomba fiasan'ny delege avy amin’ny Ministeran’ny mponina ao Mandritsara ny filoha Nasionalin’ ny Sojabe, Randriamihary Luc.

Tsizarizary hoy izy fametrahana ny lamina nandritra ny fizarana fanomezana avy tamin'ny fanjakana foibe izay anjaran'ny zokiolona. Raha tsiahivina mantsy dia korontana no niafaran’izany fizarana fanampiana izany tao amin’ny CEG Ambohimandroso tamin’ny alatsinainy teo.Voalaza fa ny tompon’andraikitry ny mponina ao Mandritsara no nanomana ny lisitra ho an'ireo sojabe nisitraka fanampiana. Feno tsy fahatombanana anefa izany hoy ny vaovao. Lasa ireo tanora indray no nomena tapakila nentina naka ny anjara fanomezana raha efa vory lanona ireo zokiolona haka ny anjarany.Notsindrian’ny filohan’ny sojabe any an-toerana moa fa tompon'andraikitra feno ny delegen'ny mponina ao Mandritsara noho izy nizara tapakila ho an'ireo izay tsy tokony hisitraka izany.Fampitaovana maromaro moa no mbola mihitsoka ao amin'ny biraon'ny mponina any an-toerana amin’ izao izay mbola hozaraina amin'ireo zokiolona. Mitaky ny hanaovana mangarahara amin'ny fizarana izany ny filohan’ny Sojabe nasionaly Randriamihary Luc.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT