Hetsika «Mii’zara hafanana»

Tsy manan-kialofana 300 mahery nisitraka fanampiana


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2024

Tontosa ny sabotsy teo ny hetsika «Mii’zara hafanana», izay nizaran’ny fikambanana Mii’zara

ankanjo mafana sy fanampiana samihafa ho an’ireo sahirana eto Antananarivo. Nahatsiarovana manokana ireo tsy manan-kialofana ny hetsika, hoy ny filohan’ny Mii’zara, Fafah Rarivo. Izay tsirambin’ny tanana rehetra ahafahana manampy ny mpiara-belona toy ny lamba, akanjo, sakafo no natao, hoy izy. Mbola betsaka moa ireo ankizy nanala bakalorea farany teo dia nezahina notontosaina taorian’izay bakalorea izay mihitsy izao hetsika izao. Ny taona 2019 no tafatsangana ara-dalàna ny Mii’zara. Manasoa ny mpiara-belona, mamolavola ny olona rehetra ho tonga olom-banona no tanjona. Tsy manosi-boho-tanana fa vonona hiara-hiasa amin’izay te hanasoa ny mpiara-belona rehetra izahay. 300 isa mahery eo no tsy manan-kialofana sy sahirana nezahina hisitraka izay fanampiana izay. Ireto fanampiana ireto dia tena avy aminay manokana sy ireo mpiara-miombon’antoka vitsivitsy, hoy hatrany ny filohan’ny Mii’zara. Liana amin’ny resaka fanampiana ny mpiara-belona izahay, hoy kosa ny teo anivon’ny Unity agency Madagascar, izay sampana filatroana na «agence de mannequinat» niara-niombon’antoka tamin’ity hetsika ity. Tanora efa niaina tanatin’ny fahantrana ny tena, hoy ny tale jeneralin’izy ireo, Rabearinosy Nathan. Tia manome fifaliana ho an’ny olona tsy nahita izany atao hoe fifaliana izany ihany koa, hoy izy. Niainga teo Behoririka, nitohy tany Analakely sy nihazo iny Tsiazotafo iny no nankany nankany moa ny hetsika, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT