Hetsika Mii’zara hafanana »

Hizara akanjo ho an’ny tsy manan-kialofan’Antananarivo


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Ny fikambanana Mii’zara sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia hanatontosa hetsika

antsoina hoe «Mii’zara hafanana» izay hizarana akanjo na koa akanjo mafana, satria mbola anaty ririnina isika, ho an’ny tsy manan-kialofan’Antananarivo, hoy ny fanazavana. Ho tontosaina ny sabotsy 3 aogositra izy io, raha ny fampitam-baovao voaray, ary hiainga eo amin’ny Citic Behoririka eo manomboka amin’ny 4 ora hariva. Hatreto dia vinaniana hiainga eo, mandalo iny Tsiazotafo iny hatrany Analakely sy ambany tonelina iny izany hetsika izany, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Fafah Rarivo. Nisy, noho izany, ny antsoavon’ny fikambanana amin’ireo malala-tanana izay mbola afaka na mazoto hanampy anatin’ity hetsika ity mba hitondra izay anjara birikiny izay mandra-pahatonga io daty io. Efa misy rahateo moa ny fanentanana samihafa any anaty tambazotran-tserasera na haino vaky jery arahana peta-drindrina mahakasika izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT