Sosialy

Hetsika Le zoma de Tana Tsy nahaloa hofan-toerana efa herintaona mahery


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Nitondra fanazavana mikasika ny fampiatoan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na CUA ny fampiasan’ny Le Zoma de Tana ny Parvis Analakely, ny talen’ny seraseran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Tiana Harilaza Raharivelo.

 

 

Ny taona 2018, hoy  izy,  no nisy ny fifanarahana teo amin’ny CUA sy ny Le zoma du Tana amin’ny fampiasana ny Parvis hanaovana varotra sy fampirantiana isam-bolana. Nandritra  ny herintaona sy tapany  anefa dia tsy notanterahan’ity hetsika ity ny fifanarahana tamin’ ny fandoavana ny vola hofan’ny toerana.   Nampahatsiahy sy niala  nenina hatrany ny kaominina ary nandeha tamin’ny ambaratonga rehetra tokony hatao ny fampahatsiahivana sy ala nenina, vao nampihantona ny fifanarahana  natao  taminy ny fiadidiana ny tanàna. Nisy ny taratasy fanomezana fe-potoana handoavana ny vola nataon’ny CUA, nefa  tsy nanaraka izany hatrany ny Le zoma du Tanà. Ny hetsika fanao isam-bolana dia mbola mitohy hatrany eo amin’ny Parvis Analakely, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny reny izao, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT