Raha tokony hotanterahina manomboka anio alakamisy 28 oktobra etsy Ampefiloha haharitra 3 andro ilay hetsika Ketrika sy kandra entina hanampiana ny tanora amin’ny ady amin’ny tsy fananan’asa dia voatery nahemotra izany
. Raha araka ny tafa fohy nataon’ny mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly hariva dia noho ny fandaminana vaovao sy noho ny antony hafa eo amin’ireo mpisehatra maro samihafa no antony hanemorana ny hetsika. Na izany aza anefa hoy Rtoa Raly Jean Karen tompon’andraikitra eo anivon’ny fikambanana Tanomafy anisan’ireo mpikarakara dia tsy tokony ho kivy ny tanora. Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ihany mantsy ny hetsika fa tsy hiodivitra ary handeha ho amin’ny tsaratsara kokoa entina hanampiana ny tanora. Raha tsiahivina moa dia sehatra iray natao hanampiana ny tanora hisehatra eo amin’ny tontolon’ny asany Ketrika sy Kandra. Tafiditra ao anatin’izany ny fomba famoronana CV amin’ny fitadiavana asa eny anivon’ny orinasa. Ny fampahafantarana azy ireo ireo sehatry ny asa mandeha ankehitriny…. Hisy ihany koa ny toro-hevitra omena ireo tanora maro isan-tsokajiny. Tsiahivina moa fa tanora manodidina ny 3000 no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany raha miisa 58 kosa ireo trano efa tokony handray anjara. Anisan’ny mpikarakara ny hetsika kosa ny Ministeran’ny fanofanana arak’asa, ny Ministeran’ny tanora, ny fikambanana Tanomafy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.