Miditra amin’ny andiany faha 5 ankehitriny ny hetsika «Foir’ferme»
izay karakarain-dry zareo eo anivon’ny Canal 7 Event ary natao indrindra hampirantiana ireo vokatry ny tany eo amin’ny fambolena sy fiompiana. Tsikaritra ho liana hatrany, hoy ny talen’ny hetsika, Nadia Ramanandianina, na ireo mpitsidika na ireo mpampiranty nandritr’ireo andiany miisa 4 tany aloha. Eny amin’ny Sainte Famille Mahamasina indray, hoy izy, no fotoana iarahana ao anatin’izany ny 14 hatramin’ny 17 aogositra izao. Natao hatrany anaty fotoam-pialantsasatra satria tsy ho an’olon-dehibe ihany fa ho an’ny ankizy koa satria hisy karazam-biby sy lalao mahaliana azy ireo maro koa ao. Nanodidina ny 9000 teo no isan’ny mpitsidika tamin’ny taon-dasa ary inoana fa tafakatra 10.000 izany amin’ity satria misy zava-baovao entina foana anatin’ny fikarakaràna. Isany ohatra ny tafa sy fampiofanana mikasika ny fikarakaràna voninkazo na fanamboarana saribao miaro tontolo iainana. Ny resaka fikarakaràna omby vavy be ronono sy fomba fitiliana ronono koa anatin’izany. Tafakatra 72 tamin’ity ny isan’ny mpampiranty nisoratra anarana ary mbola misy miantso aza ka mbola ho jerena, noho izany, ny ahafahana mandamina ny toerana ao anatin’izany. Ny vokatra biolojika no tena mahaliana antsika malagasy amin’izao fotoana izao satria hoe ilaina ny fahaizana misakafo. Eo ihany koa nefa ny famarotana ireo vokatra amin’ny vidiny mirary na eny ifotony. Misy mpampiranty avy any amin’ny faritra hafa toa an’Ambositra, Antsirabe, Taolagnaro koa mandray anjara ao. Nisy fahombiazana ireo hetsika teo aloha matoa nitombo ny mpandray anjara. Tena mahay mamorona vokatra vaovao ny malagasy ary io no fotoana iray ahafahana mamantatra hoe manao ahoana ny hatsaràn’izany vokatra malagasy voakajy ara-kalitao izany, raha ny fanazavàn’ity talen’ny hetsika ity hatrany!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.