Sosialy

Hetsika FEPA andiany faha-12 Hasongadina ny tontolo ambanivohitra


  • Zoma 21 Febroary 2020

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny foiben’ireo Malagasy matihanina amin’ny fambolena sy fiompiana etsy Nanisana na MPE omaly ny fanokafana indray ny hetsika foara FEPA

 

andiany faha-12 hotontosaina etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny 21 ka hatramin’ny 24 mey izao. Tanjona amin’ny hetsika, raha ny fanazavana, ny mba hisian’ny sehatra hifandraisan’ireo sampandraharaha ao anatin’izay tontolo izay na mpamatsy izany na mpandraharaha. Eo koa ny fampiroboroboana izay mpiompy matihanina eto Madagasikara izay. Ao anatin’ny fankalazana ny faha 25 taonany rahateo moa ny MPE, izay tompon’antoka voalohany amin’ny fikarakarana ny foara. Miisa 4100 olona isan-taona eo no voaofan’izy ireo isan-taona ho amin’izay fidirana amin’ny sehatry ny matihanina izay, raha ny fanazavana hatrany, ary ankehitriny dia olona 170.000 no misitraka mivantana ny hetsika rehetra ao anatin’ity fikambanana ity. Manodidina ny 300 isa toy ny andiany efa lasa rehetra ihany kosa anefa ireo mpampiranty andrasana raha toa ka manodidina ny 30.000 ireo mpitsidika. Ho hita sy hasongadina ao avokoa ny sehatra rehetra amin’ny tontolo ambanivohitra, hoy hatrany ny mpikarakara ny hetsika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT