Sosialy

Hetsika fanatsarana ny fitateram-bahoaka Hitarina amin’ireo zotra manodidina an’Antananarivo


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia tsy hijanona eto Antananarivo Renivohitra ihany ny fanatsarana ny sehatry ny fitaterana.

 

 

 

 

Taorian’ny zotra D mampitohy an’i Vassacos amin’Ivato  dia hojerena ihany koa ireo zotra hafa  mampifandray an’Antananarivo sy ny manodidina azy. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fitaterana sy hanamorana ny fanaraha-maso ireo taksibe. Hojerena manokana ao anatin’izany ihany koa ny fomba fikojakojan’ny tompony sy ny mpamily ny fiara, ny fananan’izy ireo taratasy ara-dalàna, ny fanajana ny aro loza, ny fanajana ny bokin’andraikitra ary farany izay tsy kely  akory dia ny fanaovana fitafiana mendrika sy fahaizan’ny mpamily sy ny mpanampy azy mampiseho fihetsika mahay manaja olona. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny fampiasana ny teknolojia GPS. Misy moa ny  vaomiera mpanara-maso (CMC) izay iarahan'ny solontenan'ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny avy ao amin'ny koperativa sy ny mpitandro ny filaminana izay hampihatra ireo fepetra ireo. Ho tohin'izany dia nikarakara atrikasa  ny minisiteran'ny fitaterana, ny fizahantany ary famantarana ny toetr’andro nanentana  ireo tompona fiara sy ny lehiben'ny koperativa, izay mitrandraka ny zotra mampifandray an'Itaosy sy ny renivohitra, mikasika ireo fepetra sy andraikitra tokony horaisina.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT