Sosialy

Hetraketraka tany Andapa Vehivavy 6 no maty tao anatin’ny tapa-bolana


  • Alatsinainy 11 Novambra 2019

Tsy milamina ny fandriampahalemana any amin’ny distrikan’Andapa, Faritra SAVA.

 

 

Hatramin’izao mantsy raha araka ny fanazavana azo avy any an-toerana dia tafakatra enina ireo namoy ny ainy vokatry ny hetraketrak’ireo tsy mataho-tody ka vehivavy avokoa ny dimy. Vao tamin’ny 07 novambra lasa teo, ohatra, dia tovolahy iray vao 21 taona mpitondra bajaja no maty novonoin’ny mpandeha teny an-dalana raha nianga avy any Ambodiangezoka hihazo ny tanànan’Andapa. 1 km monja tsy hahatongavany tao an-tanàna ity tovolahy ity no novonoin’ireo olona nentiny. Torana vokatr’izany izy ka nentina notsaboina tao amin’ny hopitaliben’Andapa. Tsy vitan’ireo mpitsabo tao anefa ny fitsaboana noho ny ratra nahazo azy ka voatery nentina niakatra teto an-drenivohitra indray izy saingy teny an-dalana no afaka ny ainy. Vokatry ny ra be loatra very noho ny kapoka tamin’ny lohany no voalaza fa nahafaty azy. Efa misy moa ny fepetra hentitra raisin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana amin’izao fotoana hotronin’ireo mpitandro ny filaminana hahafahana misambotra ireo olon-dratsy mpamono olona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT