Sosialy

Hetra tranon’Antananarivo Misy fifanarahana tsy mazava


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Farany teo izahay, hoy ireo mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo, raha nanontany ny tale jeneralin’ny orinasa SMDG hoe iza io tale io dia ny valinteny azonay dia hoe “hanontanio an’ny ben’ny tanana”.

 Raha manontany izahay hoe iza avy ireo mpanolontsaina isan’ny mandrafitra ny CA dia valinteny azonay foana ny hoe “hanontanio ny PCM”. Tsy misy mangarahara, hoy izy ireo, momba ity orinasa SMGD ity. Manahy izahay fa misy antony matoa afenina mafy aminay ny momba azy io. Fantaro fa ankoatran’ny fitantanana ny fiantsonam-piara dia misy fifanarahana na “convention” iray hafa ihany koa niarahan’ny CUA sy ny SMGD momba ny fanangonana ny hetra tranon’ny mponina, ny vola miditra amin’ireo fotodrafitrasa iombonana ary mbola ny SMGD ihany koa no miantoka ireo taratasy mivoaka ao amin’ny CUA isorohana ny hosoka na “sécurisation”. Misy ny fitsinjaram-bola ao anatin’izany “convention” izany kanefa dia lazaina fa orinasan’ny CUA ihany ny SMGD. Raha miresaka ny ben’ny tanana, Naina Andriantsitohaina, fa nividianana ny Easy park ny trosa natao tao amin’ny CNaPS dia maninona no mbola misy io orinasa io hatramin’izao ary maninona no tsy avoaka mazava ny “bordereau de versement” manamarina fa tena nisy marina izany fifampivarotana izany? Ny fanontaniana apetrakay ankehitriny dia hoe tena nividianana ny Easy park marina ve ny vola 11 miliara ariary notrosaina tao amin’ny CNaPS? Tianay ny manamarika fa fanafoanana ny Easy Park no fampanantenana natao tamin’ny mponin’Antananarivo nandritry ny fampielezankevitra fa tsy fividianana. Raha notapahana ny fifanarahana tamin’io orinasa io dia tokony naverina madiodio tamin’ny CUA ny fitantanana ny fiantsonam-piara na “parking” fa tsy mbola nomena orinasa indray, izay lazaina fa orinasan’ny CUA kanefa dia mbola ifampizarana aminy ny vola miditra rehetra. Izany fanamarihanay rehetra izany dia manamafy ny fampiakaram-peo ataon’ireo mpandoa latsakemboka ao amin’ny CNaPS mahakasika ny tsy fanekena ny fifampitrosana ny volan’izy ireo. Ankehitriny misy ny tomponandraikitra adihadiana dia ny tenanay dia hoe aoka izay rehetra tompon’antoka sy voarohirohy ao anatin’ny fanodinana ny volan’ny CNaPS dia hizaka ny sazy sahaza an’izany fandikan-dalana izany avokoa, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT