Sosialy

Hetra trano midangana be “Tokony hazava ny kajy nanaovana azy”


  • Alatsinainy 27 Desambra 2021

Nitantara ny zava-nisy fony izy mbola mpanolontsain’ny tanana tao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ny depioten’ny boriboritany fahadimy, Fetra Ralambozafimbololona.

 Tao anatin’ny fitondran’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana izahay, hoy izy, ary tamin’izany fotoana izany dia nisy ny fanisana ny mponin’Antananarivo sy ny trano ary ny resaka mpandoa hetra izay fanao eran-tany. Ny alemanina tamin’ny alalan’ny GIZ moa no nanampy antsika amin’ny lafiny maro tamin’izany na ara-bola io na hafa. Noho ny tonga ny ben’ny tanana vaovao, Naina Andriatsitohaina, dia ny nahagaga dia hoe fa maninona no tao anatin’ny 60 taona na 100 taona, izao vao nisy hetran-trano nitombo avo 10, 20, 60 heny asaina alohan’ny mponin’Antananarivo? Nanaovana andrana ny boriboritany fahadimy, amin’ny maha boriboritany filamatra azy, dia teto no nampiharana ilay izy satria rehefa tonga ny atao hoe “avis de payement” na filazana fandoavan-ketra dia akory ny fahatairan’ny vahoaka fa tena mihoam-pampana ilay izy. Mampametra-panontaniana hoe niova nanao ahoana loatra ny tananan’ilay olona? Lasa avo 10 heny ve? Niova nanao ahoana ny fidiram-bolan’ny olona? Ny fihariany sy ny fandraharahana amin’ny ankapobeny, fa dia niova nanao ahoana? Ny fako tsy afakao. Ny mpivarotra eny amoron-dalana mikorontana. Mikorontana tsy misy toy izany ny tanana dia ny vahoaka no hanaparanao ny tsy fahaiza-mitantanao amin’izany. Misy koa izao any Alarobia Amboniloha Ivandry, mpivady fa mahazo taratasy filazana fandoavan-ketra miisa 2 I rangahy sy ramatoa. Ny an’ny sasany tsy misy miova eo an-tokontany kanefa maninona no lasa avo 10 sy 20 heny? Tokony hanazava ny kajy nanaovana izany koa ny tekinisianina eo anivon’ny kaominina saingy tsy hahalala izy fa dia hoe mpampihatra fotsiny ny anay fa tamin’ny andron’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana no namolavolana an’io. Azafady! Fanisana hahalalana ny mpandoa hetra fotsiny no nataonay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT