Sosialy

Hetra aloa Fa mankaiza marina ?


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Madagasikara dia firenena faha-145 mikambana ao amin’ny tambazotra iraisam-pirenena mifanakalo traikefa sy ny mangarahara ho fanatsarana ny fampidiran-ketra nanomboka aogositra 2017.

 Mbola maro ny ezaka tokony hiantsorohana amin’ny resaka fampahafantarana ny hetra amin’ny vahoaka. Tena olana mantsy ny tsy fahazahoan’ny olona ny lalana alehan’ny hetra aloany ary hita ho mbola maivana ihany koa ny fampahafantarana sy ny fanentanana atao ny amin’izany. Tsara ny mahalala fa misy roa karazana ny hetra: ny mivantana sy tsy mivantana. Hetra mivantanaohatra, ny hetra amin’ny vola miditra sy ny amin’ny fananana. Arakaraka ny vola miditra no mampidangana ny ampahany alaina amin’ny hetra.  Ankoatra ny fanjakana foibe, dia tsara fantatra fa mitaky hetra koa ny fokontany sy kaominina ary ny faritany. Raha momba ny hetra tsy mivantana indray dia ny haban-tsena, ny fadin-tseranana, ary ny hetra amin’ny sigara sy zava-pisotro misy alkaola no mandrafitra izany. Mila vola be ny fanjakana ao amin’ny kitapom-bolany, antony ilaina ny fampidiran-ketra. Andoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana tahaka ny mpiasan’ny paositra, ny tranom-bakoka, ny hopitaly ary ny mpitandro ny filaminana ny hetra. Hanaovana lalana sy sekoly ary hopitaly ihany koa fa indrindra hanohanana ny fandaniana ara-tafika sy hikarakarana asa hafa toy ny fitaomana fako sy ny  fizarana taratasy ny hetra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT