Sosialy

Herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy 317 isa ireo fitarainana voarain’ny PMM tamin’ny 2019


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Tena mahazo vahana ny herisetra eto amintsika. Tsy hanavahana intsony na vavy na lahy na olon-dehibe na ankizy ireo hiharany fa saika lasibatra avokoa ny sokajin-taona rehetra.

 

 

 

 

 

Raha araka ny loharanom-baovao azo omaly dia nahatratra 317 ny fitarainana voarain’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana tamin’ny taona 2019 nivalona iny, izany hoe nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana jolay. Resaka herisetra avokoa izany ka ny 33 amin’ireo dia fandaozana ny fianakaviana nataona lehilahy na vehivavy. Miisa 137 kosa ny resaka fijangajangana anaty tokantrano, miisa 10 ny tsy fandraisana an-tanana na fikarakarana tsara ny ankizy madinika hataon’ny ray aman-dreny na koa ny mpanabe any am-pianarana raha nahatratra 12 ny trangana  tsy fandoavana  fiahiana sy famatsiana  ara-tsakafo ho an’ny zaza  ( pension alimentaire). Miisa 10 kosa ireo trangana herisetra mivantana mihitsy raha 174 ireo karazany hafa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT