Sosialy

Herisetra mianjady amin’ny vehivavy Fitarainana 1.437 no voaray tao anatin’ny roa volana


  • Zoma 03 Jolay 2020

Nizara "kits de dignité" tao amin'ny Minisiteran'ny Mponina Rtoa Minisitra omaly alakamisy 02 jolay.

 

 

 

 

Vehivavy bevohoka sahirana, vehivavy nisara-bady sy nilaozam-bady, vehivavy niharan'ny fanolanana no nisitraka izany. Savony, lambahoany, serviette hygiénique lavable, serviette de bain, atin'akanjo, zinga, koveta, sceau, fihogo, sotro, lovia, borosy nify, dentifrice, kitapo, lamba firakotra, lamban-jaza ary kojakoja ho an’ny zazakely no natolotra tamin'izany. Nandritra izany no nanentanany ny olona mba hijoro sy ho sahy hiantso ny laharana maitso 813 manoloana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy na ao an-tokantrano na eny anivon'ny fiaraha-monina. Toraka izany koa ny fanatonana ny biraon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny ivon-toerana fandraisana fitarainana. Nanomboka ny 25 aprily 2020 ny fampiharana ny laharana maitso 813. Miisa 1437 ny fitarainana voaray mahakasika ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy manerana ny faritra 22 nanomboka tamin’ny 25 aprily ka hatramin'ny 30 jona lasa teo. Miisa 58 kosa ny tranga voaray ny 25 aprily hatramin'ny 30 aprily lasa teo. Miisa 655 no voaray tamin'ny 01 hatramin'ny 31 mey. Ny 01 ka hatramin'ny 30 jona teo kosa dia nahitana tranga 724 isa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT