Sosialy

Herisetra mianjady amin’ireo olona marefo 58 antso no voarain’ny polisy tao anatin'ny iray volana


  • Alarobia 06 Mey 2020

Mirongatra ny herisetra ao anatin’izao fihibohana izao, indrindra fa amin’ireo voasokajy ho marefo.

 

 

 

 

 Miisa 58 ny antso voarain'ny polisy tamin'ny alalan'ilay laharana maitso 813 tamin'iny volana aprily nivalona teo iny. Tao anatin’ireo antso 58 isa ireo dia vehivahy ny 34 raha lehilahy kosa ny 24 ambiny. Saika voakasika avokoa ny sokajin-taona rehetra ho an’ireo olona niantso. Latsaky ny 15 taona ny 3 izany hoe mbola ankizy avokoa. 15 ka 19taona ny enina raha 20 ka hatramin’ny 29 taona ny folo. 30 ka hatramin’ny 39 taona kosa ny 18 raha maherin’ ny 40 taona ny 14. Karazana herisetra maro no nianjady tamin’izy ireo toy ny herisetra ara-batana izay niisa 16, ny herisetra ara-tsaina miisa 22. Herisetra ara-bola kosa ny 23 isa toy ny tsy fanomezana vola ny vady aman-janaka ao an-tokantrano raha tsy nisy ny herisetra ara-nofo. Ho an’ireo mahita trangana herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina moa na sanatria hiharan’izany mihitsy dia azo hatao tsara ny miantso ny polisy amin’ny laharana maintsy 813.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT