Sosialy

Herisetra mahazo ny olona sembana Mitaky ny hanaovana fanadihadiana ny “Autisme Madagascar”


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Mangataka ny hanatanterahana fanadihadiana nasionaly momba ny trangana herisetra mahazo an’ireo olona tratran’ny fahasembanana sy ny fikorontanana ara-tsaina ny fikambanana Autisme Madagascar,

 

  ary mangataka ny handraisana fepetra mifanandrify amin’ny zava-misy. Mbola voahitsakitsaka mantsy ny zon’ireo ankizy ahiana ho ôtista sy ny an’ireo fianakaviany, araka ny tatitra nataon’ny dokotera Pierre Sans sy ny fikambanana Autisme Madagascar, omaly teny amin’ny foiben’ny fikambanana eny Mahatony Ivandry. Tsikaritr’izy ireo izany, nandritra ny fitiliana natao, tao anatin’ilay tetikasa Opération Blue, notanterahina nanomboka ny 6 jolay lasa teo ary hifarana rahampitso 26 jolay. Misy amin’ireo dokotera, hoy ny nambaran’ny avy ao amin’ny fikambanana, no manome valim-pitiliana diso sy manome fanafody tsy mifanaraka amin’ny tranga mahazo an’ilay ankizy. Misy mihitsy aza no manararaotra amin’ny fampanoavana fitiliana tsy ilaina akory ary tsy manome fanazavana ampy sy mitombina amin’ireo ray aman-dreny. Maro amin’ireto farany moa no mahazo tsiny be fahatany, toy ny fanaovana antsirambina ny zanany. Ankizy 22 teto Antananarivo, 11 tany Toamasina ary 9 tany Fenoarivo Atsinanana no notilian’ity dokotera frantsay manampahaizana momba ny saina ity, maimaimpoana, niaraka tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Autisme Madagascar ary notohanan’ny vondrona  FILATEX.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT