Ny herisetra ara-nofo dia nisy foana saingy matetika dia toy ny mbola fady eto amintsika ny miresaka azy, hoy ny mpahaitoetra,
Holitiana Rajaonarivony Rabarison, nanazava ny anton’ny firongatry ny herisetra ara-nofo marolafy niseho tato ho ato. Indraindray ary dia ny Ray niteraka na ny Ray kely no manolana ny zanany vavy. Ny mety mahatonga ny herisetra ara-nofo mihoam-pampana ankehitriny dia ny toeran'ny fananahana na “sexualité” eo amin'ny fiarahamonina. Ankehitriny dia tsotra kely ny fidirana amin'ny tranonkala mety ahitana karazana horonan-tsary mamoafady. Mety mitarika ny olona hanao herisetra ara-nofo ny fijerena matetika ireny. Maro amin'izy ireny koa no ahitana izay karazana herisetra izay ka misy ny roboka hamerina izay hitany anaty horonantsary. Misy koa ny atao hoe "culture du viol" izay manamaivana ny fanolanana. Amin'ireo mpandala izany kolontsaina izany dia azo leferina ny fanolanana satria tsy olana goavana hoy izy ireo. Ny vahaolana azo atolotra manoloana izany habibiana izany dia ny fanabeazana ny tsirairay, indrindra momba ny maha-sarobidy ny fanekena na "consentement". Izay firaisana ara-nofo tsy nifanarahan'ny roa tonta mantsy dia midika ho herisetra ara-nofo avokoa. Ny fanenjehana mafy ireo mpanao herisetra ara-nofo rehetra ihany koa dia fomba iray hanehoana fa zava-doza ny herisetra ara-nofo. Ankoatr'izay dia ilaina ny fanatsarana ny fandraisana an-tànana ireo niharan'ny herisetra ara-nofo, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.