Sosialy

Herisetra ara-nofo Aza misalasala hitoroka, hoy ny vadin’ny filoha


  • Zoma 13 Novambra 2020

Ny fanabeazana no fototry ny fanovana, hoy ny vadin’ny filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, raha nidina ifotony teny amin’ny EPP 67 Ha Avaratra sy ny EPP sy CEG Anosibe omaly.

 

 Nanentana ireo ankizy amin’ny ady amin’ny herisetra moa ny tenany, indrindra, manoloana ny fihombon’ireo fihetsika mamoha henatra hita eny anivon’ny fiarahamonina tato ho ato. Eny anivon’ny sekoly, hoy izy, no sehatra voalohany sy lehibe indrindra hahafahana misoroka sy miady amin’ny herisetra. Niara-nampiseho tamin’ny fikambanana Fitia izay tarihiny mikasika ny tokony hatao raha sanatria sendra ireo tsy mataho-tody mikasa hanao izay herisetra ara-nofo izay ny tenany. Nohamafisiny ny antso avo nataony fa tsy tokony hisalasala hitoroka ireo olon-dratsy manoloana ireo trangana herisetra ny rehetra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT