Sosialy

Herisetra ara-nofo Adolantsento 1 amin’ny 6 no hiharany eto amintsika


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Tsy resahana ny herisetra ara-nofo mpahazo ny zaza sy ny ankizy fa raha ny mpahazo ireo adolantsento kosa, izany hoe manomboka eo amin’ny 13 ka hatramin’ny 19 taona dia raha misy 6 isa amin’izy ireo no miara-mivory dia matetika

iharan’izay herisetra ara-nofo na ara-batana izay ny 1, hoy ny tatitry ny fikambanana iray misahana izany eto Madagasikara. Ny 90%-n’ny zaza sy ankizy eto amintsika kosa dia saika misedra sazy miantraika mivantana amin’ny vatany na sazy araham-pikasihan-tanana. Tsy aiza no iharan’izany izy ireo, raha ny fanazavana fa ao an-tokantranon’ny ray aman-drenin’izy ireo ihany. Mbola sarotra ny mamaha izay olana izay hatreto, indrindra, ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana, hoy ny mpandinika iray. Ny fanamafisana ny ady amin’ny fahantrana no vahaolana fototra. Ny fahantrana no fototry ny rarin-tsaina ka mahatonga ny herisetra hanjaka, hoy hatrany ity mpandinika ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT