Sosialy

Herisetra an-dalam-be Voasambotra ireo roalahy nidarok’olona teny Ambodimita


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Niparitaka teny anivon'ny tambazotra facebook ny fihetsik'ireo roalahy nandaka ilay mpitondra moto sy namono ilay lehilahy saika hiaro ilay mpitondra moto tetsy Ambodimita Ambohimanarina,

 hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena omaly. Nosamborin'ny Polisy izy roalahy mpisetrasetra ireo ary fantatra fa avy nisotrosotro izy ireo ka niseho be sandry tamin'ilay mpitondra moto sy ilay lehilahy iray hafa, hoy hatrany ny fanazavana. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy ireo rehefa vita ny famotorana ataon'ny Polisy . Anterina hatrany fa tsy azo ekena ny fanaovana herisetra toy izao na iza izy na iza ary na inona na inona antony, hoy hatrany ny fampatsiahivana. Ny tena nahasorena ny olona tamin’ny zava-nitranga dia olona 3 mianaka ireo niaraka tamin’ny moto izany hoe ray amandreny sy zaza, saingy tsy niraharaha izany ireo lehilahy, izay hita fa efa mamo tao anatin’ilay fiara Peugeot 309 fa nandaka sy nila vanona ary miaraka amin’ny teny ratsy.Ankoatr’izay , ireo olona niezaka ny nandamina indray no mbola nodarohan’zy ireo sy norahonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT