Sosialy

Herisetra amin`ny vehivavy Nitombo ny isa ireo mila vonjy eny amin’ireo CECJ


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Tsy mitsaha-miakatra ny tahan’ny herisetra mahazo ny vehivavy tao anatin`ny telo (3) taona izay tafiakatra 115% raha ny tarehimarika voaray teo anivon`ireo CECJ (Centre d’Ecoute et de Conseils Juridique) tohanan`ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA),

 

 

araka ny tatitra natao teny teny amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana teny Andraharo. Tsy midika ho fitomboan’ny trangana herisetra anefa ny fitomboan’ny olona manatona azy ireny, araka ny tatitra nataon’Atoa Faly Rasoanaivo, Consultant évaluateur izay nanao ny tombana. Midika ho fahatokisana kokoa an’ireny ivontoerana ireny ny fahazotoana sy ny fahasahian’ny olona manatona mitaraina sy mila vonjy. Nomarihan`ity tompon’andraikitra ity fa  na ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana aza dia mandefa olona iharan’ny herisetra, manatona CECJ izay miisa 5 eto Madagasikara. Hahitana izany ao Mahajanga, Manakara, Toliara, Sakaraha sy Ambovombe. Avy amin`ireo ivontoerana ireo no nahafahana nanao an’ity jery tombana nandritra ny 3 taona ity. Na dia misy aza ireo teboka mila hatsaraina toy ny fananan’ireo tompon’andraikitra sasany fahalalana momba ny zon’olombelona, ny tetibola kely dia azo lazaina fa nahitam-pahombiazana ny asa nataon’ny CECJ. Fahombiazana mantsy ny 84 amin’ireo fanapahan-kevitry ny Fitsarana  miisa 159, notohanan’ireo CECJ miisa 5 ireo, nandritra ny 3 taona nanaovana ny jery tombana izay mitaha ho 52,83%.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT