Sosialy

Herinaratra sy famatsian-drano Miandry politikam-pampandrosoana mahomby


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Sehatra mafàna amin'izao fotoana izao ny delestazy sy ny fahatapahan-drano maharitra.

 

 

 

Tena manaratsy endrika ny fitondrana izay nampanantena fanarenana sy fandrosoana eto amin'ny firenena. Tsara ilay hoe "manana finiavana" hanova zavatra saingy tsy ampy izany satria mila vahaolana mahomby ahafahana manarina ny orinasa JIRAMA. Ny zava-doza mantsy dia miantraika mivantana any amin'ny vahoaka ny tsy fahaizana mitantana an'ity orinasam-panjakana ity. Ny fahasorenana teo amin'ny mpanjifa aza moa dia nivadika ho fitokonana sy fidinana an-dalambe. Niandry ny vahoaka nitroatra moa ny fitondrana vao nijery ifotony ny momba ity orinasa ity. Ny fepetra noraisina voalohany dia ny fanesorana ny tale jeneraly. Tsy olona iray angamba no olana eo anivon'ny JIRAMA fa ny rafitra ao aminy mihitsy. Ny minisitry ny angovo moa dia nilaza hatrany fa mivonona hanarina ity orinasam-panjakana ity ny tenany sy ny ekipany farafahatarany amin'ny faran'ny taona. Sehatra tsy hanaovana tsinontsinona ny herinaratra sy rano fisotro madio satria anisan'ny miahy ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka. Miandry ny politika izay miankina indrindra amin'ny fitondram-panjakana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT