Sosialy

Herinaratra avy amin’ny tara-masoandro Hanomboka afaka enim-bolana ny asa


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny orinasa JIRAMA sy ny kaompania SATAREM avy any Soisa,

 

 

 

 

 izay miompana amin’ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro. Faritra maromaro toa an’i Sakaraha, Maintirano ary Bekily no hisitraka izany ka hanomboka afaka enim-bolana ny asa. Hiavaka ireto tobim-pamokarana herinaratra haorina ireto satria hanaraka ny teknolojia avo lenta izy ireo ka tsy hampiasa solika na menaka mavesatra intsony nefa afaka hamokatra herinaratra 24/24 ora ary 7/7 andro. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fampidinana ny saran’ny famokarana herinaratra ity fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin’ny SATAREM ity, hoy ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA Vonjy Andriamanga satria 13 cents dolara ny hividianan’ny JIRAMA ny 1 kWh. Sandany izay isan’ny mora indrindra amin’ny fividianana herinaratra azo avy amin’ny masoandro. Ny filohan’ny filankevi-pitantanana Solo Andriamanampisoa ihany koa mbola nanamafy fa ezaka fanatsarana ny saran’ny famokarana herinaratra izay efa voafaritra ao anaty tondrozotra fanarenana ny orinasa ity fifanarahana ity. Manana roa taona hanarenana ny orinasa JIRAMA ny mpitantana ankehitriny, hoy hatrany ny fanazavany ary vonona hiara-kiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Faly izahay nanatanteraka ity fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa voalohany ity satria ho fitaratr’i Afrika i Madagasikara amin’io teknolojia vaovao apetraka io, hoy ny Tale jeneralin’ny SATAREM, Jerome Friler.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT