Sosialy

Herinandro ho an’ny fandraharahana “GEW” “Omena fanampiana ireo tanora manana tetikasa”


  • Talata 09 Novambra 2021

Nisokatra ofisialy omaly 08 Novambra 2021 ny herinandro maneran-tany natokana ho an'ny fandraharahana (GEW) izay natrehan'ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC)

 Edgard Razafindravahy sy ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanora Juliana Ratovoson. Tsy latsa-danja amin'izany fankalazana izany i Madagasikara, ka nanehoana fa manohana tanteraka ny tanora hiroboka anatin'ny tontolon'ny fandraharahana ny minisitera ho fampandrosoana sy tombontsoan'ny ny firenena. Nibahana nandritra ny fanokafana ny GEW 2021 ny fahavononan'ny minisitera hanome fanampiana ireo tanora manana tetikasa manodidina ny fandaharan’asa Taninketsa Indostrialy. Manana anjara feno ao anatin'ny fandaharan’asa Taninketsa Indostrialy ireo tanora liana amin'ny fandraharahana, hoy ny fanamafisana. Tanjona voalohany haverina matetika ny fampiroboroboana sy fampitomboana ny famokarana ifotony. Isan'ny nampiavaka ity Herinandron'ny fandraharahana ity ny famelabelarana sy fijoroana vavolombelona nataon'ireo Minisitra roa tonta mikasika ny làlana nizoran'izy ireo eo amin'ny sehatry ny fandraharahana. Fizarana izay ilain'ny tanora rehetra hiroso bebe kokoa ao anatin'ity sehatra mitondra sanda hary mampandroso ara-toekarena ity. Maro ireo hetsika fanentanana ho an'ny tanora manomboka ny 08 hatramin'ny 14 novambra 2021 manerana ny Nosy. Ny MICC dia vonona hiara-hiasa sy hanohana hatrany ny sehatra mitondra fampananana asa sy fanasongadinana ny vokatra eto an-toerana ary indrindra fampandrosoana ara-tsosialy eto amin'ny firenena, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT