piainana raha izao no mitohy »
Raha izao zava-misy izao no iarahana mijery, afaka herintaona isika raha ela indrindra dia mety hiakatra avo 100 heny amin’izao ny vidim-piainana. Tafiditra ho anton’izay ny fahapotehan’ny vola ariary, tsy fanarahan-dalàna, ny fahasimban’ny fanabeazana, ny lafiny toekarena amin’ny ankampobeny. Ny fitantanana mihitsy no tsy mety, afak’omaly dia tafakatra 5050Ar ny 1Euro iray satria be loatra ny fanafarana entana. Ny vahaolana heverina fa hitan’ilay heverina hoe :hitantana ankehitriny dia ny hanafatra ihany », hoy Atoa Herimanjaka Tsilavo Manantsoa, raha naneho hevitra amin’ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra, na maro aza ny kasikety hahalalana azy. Nahitsy ny tenany naneho, fa hisy tsy hisy akony mihitsy amin’ny toekarena ny fanafarana lava, ka ohatra amin’izany ireny jiro zarazaraina ireny, satria mety ho tapa-bolana na iray volana dia mety ho simba. Aminy, ny tokony ho natao dia ny hoe : ahoana no ahafahana manangana sy manarina ilay Jirama indray mba ho angovo no ho an’ny toekarena no vokarina, kanefa izao dia volantsika indray no hanafarana an’ireny. Notsipihiny fa mivangongo eto Antananarivo daholo ny zava-drehetra, ka ohatra noraisiny ny hoe : na horaofina isak’izay mandeha ny fako, ary hosorohana ny ben’ny tanàna dia hivangongo foana ny fako satria mihoatra ny tokony ho izy ny olona. Ahilika amin’ny madinika ny olana hoe : mpivarotra amoron-dalana sy taksibe fa na eny Ankorondrano izay tsy misy mpivarotra aza misy fitohanana. Ny vahaolana aminy dia ny fidirana anatin’ny fizakan-tena na « autonomie » ho an’ny faritany sy ny faritra. Mahakasika ny toe-draharaha sy ny fitondrana taorian’ny fifidianana, efa io izany ny Filoha misy eo, efa tokony ho nandray ny lesona izy tao anatin’izay 15 taona izay, ka tsy tokony hanao vinana filoham-pirenena, fa filana avy any ifotony no tanterahana, hoy hatrany i Herimanjaka Tsilavo Manantsoa. Tsy manonofy avy any dia hasiana manara-penitra manerana an’i Madagasikara, kanefa samy manana ny filany toy ny hoe : ny any Toliara mety rano no tadiaviny fa tsy kianja manara-penitra. Na eo aza izany, nahitsy ny tenany naneho fa ny vahaolana amin’izao raha te ho tafavoaka dia ny firosoana amin’ny Repoblika faha-5 mihitsy. Ny lalàmpanorenana dia tsy tokony hokitihina kely araka izay maha metimety, fa iarahana mandrafitra mihitsy iantsoana ny mpisehatra rehetra. Anisan’ny handray anjara raha ilain’ny vahoaka amin’ny fanolorana lalàna ho an’ny firenena moa i Herimanjaka Tsilavo Manantsoa, ka naneho fa hirotsaka hofidiana ho depiote amin’ny fifidianana manaraka eo, na mbola tsy nilaza ny fari-piadidiana hirotsahany aza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.