Sosialy

Hentitra ny kaominina Araha-maso akaiky ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra


  • Zoma 23 Novambra 2018

Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny alatsinainy 19 novambra lasa teo nijery ireo fako misavovona teny Alarobia ,

 

 

 Vasakaosy tsenan’ny atody, Anosivavaka ary Ankadifotsy dia tsy niandry ela ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo fa avy hatrany dia nanamafy ny fanampiana ny SAMVA amin’ny fandraofana ny fako. Tsy azo atao sorona ny vahoakan’Antananarivo sy ny tanàna, hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana na dia tsy mandray ny andraikiny aza ny SAMVA. Nanomboka nanadio izy ireo omaly  alakamisy 22 oktobra  niaraka tamin’ireo fiarabe fanomezana avy amin’ny kaominina sy ireo malalatanana hafa. Teny Andohatapenaka no nanombohany ny asa.  Manome toky ny eo anivon’ny tanànan’Antananarivo fa afaka andro maromaro dia hisy vokany ny asa fanomezan-tanana ny SAMVA mba hampadio ny tanàna . Manainga ny mponina mba hanaja ny ora fanariana ny fako eny amin’ny dabam-pako hatrany izy ireo. Manomboka  amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina izy io, araka ny fanazavan’ny  lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Olivier Randrianarisoa ka tsy tokony hohadinoina. Tsiahivina fa anisan’ny manaparitaka ny aretina  ny fivangongoan’ny fako etsy sy eroa, antony tena mahasarotiny mafy ny kaominina.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT